<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>70</hymn_number>
<title>Iza moa io Zazakely FFPM70</title>
<lyrics>[V1]
 Iza moa io Zazakely
 // Ao Betlehema //
 Ankalazain'ny anjely
 Misasaka alim-be ?
 Injao ! Mihira avokoa
 Ry mponina ao an-danitra,
 Ka iza re io zaza soa ?
 Moa zanak'Andriamanitra
 Io no Mpanjaka voatendry,
 Sady mahery no hendry
 Zanak'Andriamanitsika,
 Koa hobio sy ifalio !

[V2]
 Izy no Jeso Mpanjaka,
 // Ka mihobia ! //
 Izy mamory sy maka,
 Avia, mihobia !
 Omeo voninahitra,
 Ka mitehafa tanana ;
 Hobio ry tendrombohitra
 Sy lohasaha mavana !
 Io no Mpanjaka ..sns.

[V3]
 Izy no Tompo nahary,
 // Ka maneke ! //
 Zanaky ny Zanahary,
 Ka dia maneke !
 Ry hazo ao an-ala ô !
 Samia re manandra-peo ;
 Ry voninkazo tsara ô !
 Atero fofo-manitra !
 Io no Mpanjaka ..sns.

[V4]
 Efitra sy tany foana !
 // O ! mihirà ! //
 Lemaka ary havoana !
 Falia, mihirà ;
 Ry ranomasin-dehibe,
 Ry voronkely tsara feo,
 Izao rehetra marobe,
 Avia mankalaza re !
 Io Mpanjaka ..sns.</lyrics>
<author>Voice of Praise</author>
</song>